Araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny miaramila dia misy kolonely vitsivitsy ho lasa jeneraly indray ato ho ato. Araka ny fantatra dia «avancement très spécial» mihitsy no filaza azy ity eo anivon’ny tafika.
Anisan’ny voatonona ao anatin’izany ny kolonely Ravalomanana Richard. Nialoha ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena teo no efa saika hanaovana ity fampakarana galona ity saingy maro tamin’ny miaramila no efa nivonona ny hanohitra izany.
Anisan’ny anton’ny niteraka resabe tany an-dakazerina mihitsy ny mikasika ny kolonely Ravalomanana manokana. Izy mantsy dia ao anatin’ny andiany faha-13. Mbola betsaka anefa ireo kolonely tafiditra amin’ny andiany faha-11, faha-12 ary misy aza ny ampahany amin’ny andiany faha-10 mihitsy mbola miantona tsy nahazo izany jeneraly izany.
Omaly anefa dia fantatra fa efa tonga eny Ambohitsorohitra ny lisitr’ireo atolotra hahazo izany galona izany ary anisany ny kolonely Ravalomanana Richard. Nahafaly ireo mpomba ny FAT moa ny horakora-pihobiana izay azon’ity kolonely ity nandritra ny matso nataony teny Mahamasina tamin’ny 26 jona.
Tsy dia mahagaga ny mpitazana ny tranga tahaka izany satria niainga tamin’ireo andiany faha-11 vitsivitsy ity fomba fanao ity. Herintaona tahaka izao tokoa mantsy no nihazakazahana ny nanomezana jeneraly ny lehiben’ny Tafika, ny lehiben’ny zandary ary ny ministry ny foloalindahy teo aloha Rakotonandrasana Noël. Mbola tahaka izay ihany koa no nataon’ny jeneraly Vital Camille. Vao lasa praiministry ny FAT ny tenany dia efa nikendry io galona io saingy ny teny Ampahibe tamin’ny fotoan’androny no tsy nahatontosa izany. Tsy ampy iray andro akory no nanalana ilay teny Ampahibe dia nihazakazahana haingana ny nametaka ilay gradina jeneraly. Takalon’ny fanohanana ny FAT, hono, izany !
Fa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.