Velona ahiahy ary misavoritaka ny sain’ireo mpianatra niatrika fanadinana bakalôrea taona-2012 tany Faradofay.
Ny zava-misy dia voka-panadinana roa samihafa no hitan’ireo mpianatra any an-toerana. Ny voalohany, heno tao amin’ny radio tsy miankina iray any an-toerana ny vokatra nalefan’ireo mpiara-miasa amin’ity onjam-peo ity avy any Toliara, ny faharoa kosa, vokatra azo tamin’ny alalan’ny Internet. Tsy mitovy anefa ny vokatra nivoaka, ka izay no mampisavoritaka ny sain’ny maro. Ny afaka tao amin’ny loharanom-baovao iray tsy afaka ao amin’ny tranonkala. Ankoatra izay dia tsy mifanaraka amin’ny laharana na nomerao ny anaran’ny afaka. Efa nisy tamin’ireo mpianatra nahita ny anarany na nomeraony ho afaka anefa no efa nanao hafaliambe na “arrosage”. Tsara koa ny manamarika fa hatry ny omaly dia tsy mbola tonga any Faradofay ny vokatra ofisialy avy amin’ny “Office du bac” avy any Toliara.
Noho izay tranga mifamahofaho izay, nanao filaharambe makivaky ny tanàna tao Tolagnaro, niainga tao amin’ny kolejy Sacré-Coeur Bazaribe, nihazo ny toeram-piasan’ny lehiben’ny Faritra ireo mpianatra niatrika ny fanadinana bakalôrea, nitady fanazavana tamin’ireo olobe manam-pahefana ao an-tanàna. Samy tsy tao an-toerana anefa ny tomponandraikitry ny fanabeazana ao an-toerana, dia ny sefo Cisco sy DREN. Ny nahagaga ireo mpianatra sy ireo ray aman-dreny, araka ny fanadihadiana ihany, dia rehefa maro ny olona no nirohotra nijery Internet, dia nanjavona tampotampoka teo, voafafa ilay lisitry ny voka-panadinana.
Nametraka fitarainana tany amin’ny tomponandraikitry ny fampianarana any an-toerana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ireo tanora afaka fanadinana ireo ary tapa-kevitra nanao io filaharambe io. Ny fiantraikan’ny fahadisoam-panantenan’ireo mpiadina efa nifaly havanja no mety hatahorana amin’izao tranga izao.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.