Actualités

Vaky trano Voasambotra ny roalahy mpandrava eny Anosipatrana


  • Alakamisy 10 Septambra 2015

Noho ny ezaky ny mpitandro ny filaminana dia voasambotry ny polisin’Ilanivato teny Anosipatrana ny lehilahy roa mpikambana amin’ny fikambanan-jiolahy, mpanafika mpivarotra enta-madinika amin’iny faritra iny.

 

 Nandray anjara tamin’ny famakiana “épicerie” iray teny Ambilanibe ny volana martsa lasa teo ihany koa izy ireo ka efa-dahy no tompon’antoka tamin’izay. Ny roa ihany anefa no voasambotra. Tompon’andraikitra tamin’izany i Manana, izay efa avy nigadra. Ny vaky trano no tena talentany sady manolana izay tra-pahavoazana ihany koa. Toraka izany koa i  Bôna, anisan’ilay nanendaka ny mpiasan’ny Airtel teny  Anosipatrana atsinanana tamin’ny volana martsa ihany koa  ary namaky toeram-pivarotana tantanina Betsileo teny an-toerana. Ity farany indray resaka fanendahana no tena ataony. Efa notadiavina hatramin’ny ela izy roalahy voasambotra ireto.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT