Niditra avy teny ambony tafo ireo jiolahy izay tsy fantatra ny isany. Tokantrano iray no lasibatry ny vaky trano, ny talata hifoha alarobia teo, tao Tsimenatse Toliara.
Very tamin’izany ny entana maromaro sarobidy mora nobataina. Nentin’ireo olon-dratsy hatramin’ny ambim-bary sy laoka tsy lany tao an-dakozia. Raha ny fanazavana azo dia tsy naheno na inona na inona ny tompon-trano tamin’io. Tsy nivovo ihany koa ireo alika telo natory teo an-dalantsara. Mety nampiasa fonoka ireo mpandroba. Ny maraina vao samy gaga nahita ny entana maromaro banga tao an-trano nefa ny varavarana tsy vaky na nisy nanapitsoka. Raha ny tombana dia tany amin’ny roa ora maraina tany no nitrangan’ny asa ratsy. Mpivady avy niari-tory no nahita telolahy nitondra entana nanao dia maika. Nararaotra ny jiro tapaka amin’ny misasak’alina ao Toliara vokatry ny delestazy noho ny tsy fahampian’ny gazoaly ireo olon-dratsy. Marisarisa indray ny tsy fandriampahalemana amin’izao ankatoky ny fetin’ny paska izao.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.