Actualités

Vaky ny «rubis», mivoaka ny safira Vao mainka ilaozan’ny fampandrosoana Andilamena


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

Ilaozan’ny fampandrosoana ny Distrikan’Andilamena, Faritra Alaotra Mangoro. Mampiteny ny moana raha ny zava-misy any an-toerana. Ranom-potaka no mameno ny tanŕna amin’izao, mila hitoka-monina mihitsy aza ity Distrika ity vokatry ny fahapotehan’ny lalam-pirenena faha-3A mampitohy an’Andilamena amin’i Vohitraivo

 

 

(Distrikan’Amparafaravola), izay efa tsy tongan’ny taksibrosy intsony fa 4x4 sy trakitera sisa tonga any Andilamena. Distrika manankarena anefa i Andilamena, raha tsy hiresaka afa-tsy harena ankibon’ny tany, ankoatra ny vary sy ny omby. Vaky nanomboka tamin’ny taona 2001 ny karierana «rubis» tany Andilamena ary tsy misy fitsaharany ny fitrandrahana an’izany hatramin’izao. Amin’izao fotoana indray anefa dia nivoaka ny safira any Andrebabe ary dia feno vahiny teratany Srilankey sy Thailandey mpividy vato tonga any Andilamena. Ny mahagaga anefa dia maizina ny tanàna noho ny delestazy, ratsy ny lalana, potika ny tanàna fa tsy misy fanamboarana ary dia ranom-potaka no mameno ny tanàna. Mampieritreritra !

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT