Zava-doza no nitranga tany Soavinimerina ao anatin’ny kaominin’i Mahitsy ny alahady lasa teo. Nivoha nidanadana ny varavaran’ny fasana iray. Rehefa nojerena dia nisy namaky io fasana io ary nikorontana ambony ambany ireo razana tao anatiny.
Lasa avokoa ny 95%-n’ny taolambalo tao, hoy ny fianakaviana tompon’ny fasana, razana 135 no nangalana ireo taolan-dava tahaka ny fahita mahazatra rehefa misy vaky fasana tahaka izao. Razana 5 ihany no tsy voakitika. Nijery ny zava-misy teny an-toerana ny tompon’andraikitry ny fokontany sy ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena. Navoaka tety ivelany ireo razana nikorontana ka niezaka ny fianakaviana nandamina. Fanapahan-kevitra noraisina avy hatrany ny fampitomboana ny fisafoana, indrindra fa amin’ny alina atao eny an-toerana taorian’izao. Miara-misalahy ny zandary sy ny fokonolona. Nirongatra indray tato ho ato ny vaky fasana. Ao ireo milaza fa asa fanakorontanana saim-bahoaka fotsiny izy io, misy koa ny manambara fa misy ilana azy mazava tsara ny taolan-dava alaina etsy sy eroa io, ary tsy eto Madagasikara fa any ivelany no tena mila azy. Tsy mbola nisy mihitsy fanadihadiana lasa lalina natao momba an’ity vaky fasana eto Madagasikara ity izay nanomboka tany amin’ny taona 90 tany ho any.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.