Nitrangana vaky fasana ny tao amin’ny kaominina Mangarano-Antsirabe II ny faran’ny herinadro teo.
Fasana iray io nisy namaky io saingy razana 22 be izao no indray nalain’ireo jiolahy ny taolan-dava. Naparitaka kosa ireo hafa tsy nalainy. Raha ny fanazavana teo anivon’ny mpitandro ny filaminana dia tsy fantatra loatra ny mety nitrangan’ity vaky fasana ity. Ny fianakaviana no nahatsikaritra ka nampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany. Fa mahakasika ity halatra taolana ity dia mitranga matetika izy io ao Vakinankaratra fa tsy hita na fantatra ny tena maniraka sy ny mpividy. Ahian’ny mponina fa noho ny habetsaky ny olona nifamezivezy tany Mangarano, izay misy toerana fitrandrahana vato no mahatonga izao toe-javatra izao. Efa somary mangingina mantsy ny fitrandrahana ka miketrika zavatra hafa indray ny ratsy saina.
Caïus R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.