Actualités

Vaky fasana, satroboninahitra ... Nampiaka-peo ireo taranak’Andriana


  • Alarobia 10 Oktobra 2012

Naneho ny alahelony manoloana ny fametavetana nisesisesy nataon’ny sasany ireo taranak’Andriana rehetra, tsy eto Imerina ihany fa hatrany amin’ny faritra.

 Ao anatin’izany ny fahamaizan’ny Rovan’i Manjakamiadana, ny fahaverezan’ny satroboninahitry ny Mpanjakavavy, ny famakiana fasan’andriana. “Tsy tonga ho azy izao fa misy zavatra heverina sy kendrena. Tadiavina verezina ny maha izy ny Malagasy”, hoy ny Andriana Rajaonarivony avy amin’ny Jaky Mena. Tsy vitan’ny halatra fotsiny manko ny vaky fasana, hoy ihany izy fa misy zavatra ambadika. Tandindomin-doza ny firenena, hoy kosa ny taranak’Ambohitrabiby. Efa ho 20 taona no nisiana vaky fasana teto amintsika, hoy kosa ny Tangalamena Zakariasy avy any Brickaville. Hatramin’izay anefa dia atahoran’ny Gasy izany fasana izany. Nambarany moa fa tsy mifanandrify amin’ny fahefana ananany ny andraikitra sy fepetra raisin’ny fitondrana. Tsy hita ohatra izay vokatry ny fanadihadiana tamin’ny nahamay an’i Manjakamiadana, tamin’ny nahaverezan’ny satroboninahitra. Voaviravira ny hasin’ny firenena.

Ny maha olona ny olona iray, hoy ny Printsy Andriandrainarivo, avy any Vavatenina dia ny vata-tena, ny teny, ny tany, ny tantara, ny kolontsaina. Ny mpitondra no tokony hiahy ireo. Zavatra maro no mety mahatonga ny famiravirana trano manara, hoy ihany ity Printsy ity dia eo ny adim-pinoana, ny lafiny ara-bola, ny resaka politika. Raha izao no mitohy, hoy izy dia hitsingevana ka tsy ho tompon-tanindrazana intsony isika Malagasy. Manoloana izany àry dia manao antso avo ireto taranak’Andriana ireto ny amin’ny tokony hanomezana lanja sy ametrahana ny fitsipika an’ireo mpitana ny fomba araka ny lalàna velona. Mitovy amin’ny asan-dahalo ny famakiana fasana, hoy izy ireo. Tsy vakoka ihany koa ny hasim-pitondrana fa zavatra velona sy mitondra ny firenena ka izao zava-misy izao dia famonoana ny hasim-piandrianam-bahoaka sy fanimbazimbana ny hasim-piandrianany ka voatohina ny hasim-pirenena. Nilaza fa haka fepetra moa ireo taranak’Andriana manoloana ny famiravirana sy fametavetana ny “Masina” izao.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT