Actualités

Vakinankaratra Nahazo fitaovana vaovao ny sampandraharaham-paritry ny varotra


  • Alakamisy 09 Aprily 2015

Nahazo fitaovana vaovao hoenti-mitsara ireo fitaovam-pandanjana (mizana sy vato mizana) ny foibem-paritry ny varotra sy ny fanjifana ao Vakinankaratra.

 




Nampahafantarina ireo mpandraharaha sy mpamokatra fitaovam-pandanjana izany taorian’ny fetin’ny paska teo ka hiantsoana ireo mpandraharaha mba hanatona ny biraon’izy ireo mba hitsarana izany. Raha ny fanazavana dia efa tamin'ny taona 2011 no nisy farany ny fitsarana fitaovam-pandanjana sy famaranana tao Antsirabe. Nambara fa mbola hoentina aty Antananarivo ny fitaovana notsaraina na koa miandry ny fidinan'ireo tompon’andraikitra any an-toerana. Misy karazany roa ny fomba fitsarana ka eo ny fitsarana ho an'ny fitaovana vaovao ary ny fitsarana isan-taona ho an'ny fitaovana efa niasa. Misy “vignette” homena ireo izay mpivarotra nahavita fitsarana ka tokony hapetrak'izy ireo amin'ny rindrina ho hitan'ny mpanjifa izany. Misy soratra litera J ny «vignette 2015 » manomboka izao ka tsy manankery intsony izay tsy ahitana izany. Fantatra ihany koa fa tsy ara-dalàna ny fampiasana zavatra hafa ankoatra ny vatomizana rehefa mandanja, ary tsy misy manerantany ihany koa ny vatomizana latsaky ny 25g izay misy mampiasa rehefa mandanja an-tsasaky ny fahefany eto amintsika.

Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT