Nanao fanambarana tetsy amin’ny biraon’ny sampana iombonana misahana ny fananantany (SIF) tetsy Ampefiloha omaly ireo solontenan’ny vahoakan’i Soamahamanina.
Araka ny fitarainan’izy ireo dia tantsaha ny 85%-n’ireo vahoaka any an-toerana ary tsy hanana diplaoma hahafahana mitady asa aty an-drenivohitra rehefa voatery hiala amin’ny taniny. Mampanahy anay, hoy izy ireo, ny tenin’ny filoham-pirenena tamin’ny fotoam-bita mikasika ny fiverenan’ireto sinoa ireto ary vonona izahay hiady hatramin’ny farany sy tsy hanome ho an’olom-bitsy ny taninay. Ny 1%-n’ny mponina ihany, hoy izy ireo, no manaraka ireo sinoa ary vokatry ny tsilian-tsofina henonay fa nisy fivoriana nataon’izy ireo ny 20 mey teo no nahatonga anay hanao ity fanambarana miantefa amin’ny filoham-pirenena ity.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.