Mbola raharaha mafana sy mitana ny sain’ny maro ny savorovoro tany Befandriana Avaratra. Raha ny vaovao farany azo omaly, dia niakatra fitsarana tao Antsohihy omaly ireo olona 31 voarohirohy tamin’ity raharaha ity
. Naverina ao amin’ny tobin’ny polisy anefa izy ireo taorian’ny niakarany fitsarana fa tsy mbola nisy naiditra am-ponja. Hentitra kosa ny fiambenana, ka tsy azo hivezivezena ny manodidina ny tobin’ny polisy, ary mbola hitohy anio ny fitsarana. Olona efa 80 taona ny roa amin’ireto miandry fitsarana ireto, ahitana vehivavy roa ihany koa sy mpampianatra miisa 7. Ahitana ratra avokoa ireo olona 31 ireo noho ny daroka natao azy ireo teny an-dalana. Nentina dia an-tongotra avy any Antsakabary mandrapahatonga teo amin’ny pont Sofia. Lalana 90 km eo ho eo. 300 ny isan’ny olona nentina niainga avy any dia natao ohatra ireny mandroaka omby ireny, hoy ireo nanatri-maso. Tao anatin’izany no nisehoan’ny daroka isan-karazany nataon’ny mpitandro ny filaminana araka ny fitantaran’ireo vavolombelona. Teo amin’ny Pont Sofia vao nafatratra tao anaty kamiao be iray hihazo an’Antsohihy izy ireo. Voalaza ihany koa fa «izay nanam-bola dia navotsotra ka izay no nahatonga ireo olona 31 sisa no atao famotorana. Mandeha ny resaka fa tsy marisika hitsara ity raharaha ity ireo mpitsara ao Antsohihy noho ilay daroka natao tamin’ireo olona voarohirohy ireo, satria misy ny hita fa tena voa mafy amin’izy ireo. Maro ny zavatra mbola manjavozavo amin’ity raharaha ity. Re moa fa manaraka akaiky ny raharaha Befandriana Avaratra ny filoham-pirenena ka ho hita eo izay ho tohiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.