Actualités

Vahoaka Malagasy Mila tezaina hifantoka amin’ny foto-tsakafo hafa


  • Alarobia 01 Febroary 2017

Nivoaka tamin’ny fahanginana indray omaly Rabenitsara Lita, filohan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa RNDC.

Nambarany fa tsy ny vary ihany no foto-tsakafon’ny Malagasy fa azo atao tsara ihany koa ny mihinana katsaka…Tokony hampidirina anaty fandaharam-pianaran’ny mpianatra mihitsy izany entina hanabeazana ny tsirairay hisorohana ny olana mitranga tahaka izao fiakaram-bidin’ny  kapoakam-bary efa ho 600 Ar izao. Nomena  hafatra ihany koa ny mpitondra fanjakana. Anisan’ny noresahiny manokana ny tokony hanamboarana ny lalana rehetra any amin’ireo toerana be mpamoka-bary na sompitr’i  Madagasikara toy ny any Ambatondrazaka, Andapa,  Ambatoboeny…fa tsy variana fotsiny amin’ny fanentsemana ireo lalana misy lavadavaka eto an-drenivohitra ny mpitondra na manenjika ireo faritra be olona mba hanaovany propagandy. Mikasika  ireo vary  nafarana  avy any ivelany mba hamenoana ny banga eto an-tanindrazana manokana dia miantso ny rehetra mba ho mailo Rabenitsara Lita sao sanatria vary efa tsy azo hanina intsony mitovy amin’ny provandy no haparitaka eny an-tsena eny.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT