Actualités

Vahoaka Malagasy Manaiky ambakaina


  • Sabotsy 28 Janoary 2017

Na ny vahiny mandalo aza gaga fa hendry sy mahari-pery loatra ny Malagasy ka 2 000 Ar ny kilaon’ny vary,

hiakatra 500 Ar ny saran-dalan’ny taksibe afaka andro vitsy, efa manao ny ataony ireo mpitatitra amin’ny zotra rezionaly sy nasionaly, ny jiro sy rano io iaraha-mahita io ny fahatapahana isan’andro efa ho 5 ora farafahakeliny, izao miampy ny olana eo amin’ny resaka Internet indray. Maro ireo olona miasa tena toy ny mpanao volo, tompona “cybercafé” sy “poissonnerie” no matiantoka isan’andro, manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana isam-pokontany. Ireo manampahefana amin’io mipirolipa isan’andro eny an-dalambe eny manavatsava sy misongona amin’ny fiara faran’izay raitra, tsy te hahalala amboteiazy, mandika tsotra izao ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Izany no zava-misy iainan-dramalagasy isan’andro fa dia mangina izy, miaritra izy, mitolefika izy, mionona izy. Na ny manampahaizana na ny olon-tsotra na ny tsy ampy fahalalana dia mangina, tsy misy hita popoka ireo firaisamonim-pirenena. Asa na lasa aiza koa ireo mpanao politika basy vava hatramin’izay, ireo solombavambahoaka tompon’ny resaka sy ny kabary toa an-dry Rossy, Naivo Raholdina, Nicolas Randrianasolo, Jaona Elite sy ny maro tsy ho voatanisa eto ? Ireo fikambanana mitonona ho mpiaro ny zon’ny mpanjifa moa dia moana tanteraka. Nahoana no tsy andrenesam-peo na dia fehezanteny tokana monja aza ? Tsy misy sahy mijoro ve hanaitra ny mpitondra fanjakana mba hikaroka vahaolana fohy ezaka aloha ? Tsy afaka ny hifanohana sy hifanampy mihitsy ve izany fa dia samy tia tena sy tia kely samy miaro ny azy eto ?

 « Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika », hoy ny oha-pitenenana. Anjakan’ny fizarazarana sy ny fitiavan-tena amin’ny sehatra sy ny sokajy rehetra ny fiarahamonina Malagasy ka izay no antony mahatonga io fiononana amin’ny mafy manjo io. Efa tsy mahalala ny zavatra mety sy tsara kalitao intsony ny Malagasy fa rehefa mahita hanin-kohanina in-droa isan’andro aloha dia efa ampy azy izay. Ny manampahefana moa mahazo aina milalao ny fahantrana sy ny habadoan’ny vahoaka ka tsy miasa saina firy intsony fa samy taraiky eto e ! Ny fanaovana kolikoly no lasa fakana tombombarotra, fisolokiana no atao anton’asa, ny filokana no hamenoana ny banga… ireo tanora tsara bika sy tsara tarehy mirona amin’ny fivarotan-tena. Ny manahirana avy eo, rehefa tonga ny propagandy ka raikitra ny tolotolotra isan-karazany, famahanan-kanina faobe sy rindran-kira bôjo, dia manadino ny mafy nanjo azy ramalagasy ka handrotsa-bato ho an’ny efa nampitondra faisana azy indray. Moa va tsy izany no atao hoe : firenena very ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT