Actualités

Vahiny tonga eto Mila manaja ny soatoavintsika, hoy ny praiminisitra


  • Zoma 17 Novambra 2017

Notontosaina tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny atrikasa famaritana ilay antsoina hoe famantarana ny fandehan’ny fitantanana anatiny na IGL izay tohanan’ny rafitra alemana GIZ.

 
Tanjona ao anatin’ny tetikasa, raha ny fanazavan’ny praiminisitra sady minisitry ny atitany, Solonandrasana Mahafaly Olivier, ny hametrahana ny antsoina hoe fitsinjaram-pahefana tena izy ka ezahana hampitoviana tantana ireo kaominina efa mandroso sy mbola marefo. Mizara 4 ny fenitra jerena, raha ny nambaran’ny tale mitantana ny FDL, Hanitra Raharinjatovo, dia ny famaliana ny filan’ny eny ifotony, ny tamberin’andraikitra hahalalan’ireo mponina ny lalan-ketrany sy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoana ary ny fangaraharaham-pitantanana. Mikasika ny resaka firongatry ny fidiran’ireo vahiny eto amintsika kosa dia nanazava ny praiminisitra fa na isika koa aza mety misy manaotao foana rehefa tonga any an-tanin’olona any ary misy ny vahiny ilaintsika, toy ireo mpandraharaha sy mpizahatany. Ny takiana amin’izy ireny dia aoka izy hanaja ny lalàna misy eto sy ny soatoavintsika.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT