Manara-maso akaiky izay ho tohin’ny raharaha mahakasika an’ilay teratany vahiny mpanao herisetra sy mpaka an-keriny tanin’olona tany Toamasina, ireo olona niharam-boina nivantana noho ny nafitsok’izy io.
Fantatra ankehitriny fa efa manara-maso akaiky ny raharaha koa ry zareo SMM sy ny BIANCO. Hibaribary amin’izay, araka izany, ireo tompon’andraikitra sasany mbola sahy hiaro an’io vahiny mpampihorohoro ny Faritra Atsinanana io. Voalaza moa fa fitsaboana no antony niakarany teto Antananarivo, nefa manahy ny fitadiavany lalana ambanin’ny tany mialoha ny fitsarana azy ireo mahita azy mivezivezy tsy tapaka nandritra ny andro maromaro izay teny amin’ny tribonaly Anosy. Raha tsiahivina, fitoriana 7 no mahasiringotra sy miandry an’ity teratany vahiny ity eny amin’ny fitsarana ka anisan’izany ny fikasihan-tanan’olona, fakana tanin’olona amina taratasy hosoka ary famotehana entan’olona. Raha ireo voatanisa ireo fotsiny aza dia azo antoka ny sazy henjana tokony hiandry an’ity vahiny ity. Mahatoky sy mino ny fitsarana hamoaka didy, araka ny rariny sy ny hitsiny ireo vahoaka niharan’ny tsindrihazolena nataon’ity vahiny ity tany Toamasina.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.