Manomboka difotry ny fanafaram-bary vokatry ny hain-tany nitranga tamin’ny fiandohan’ny taona 2017 ny tsena anatiny izay tena foto-piveloman’ireo tantsaha mpamokatra eto Madagasikara.
Vao mainka nahazo vahana ihany koa ny tsenan’ireo mpandraharaha avy any dilambato satria mbola ireo vary vahiny ihany no naparitaky ny fitondram-panjakana ho an’ireo traboina manerana ny nosy. Etsy an-kilany, miezaka manazava ny saim-bahoaka hatrany ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa fa io fanafarana io ihany no vahaolana paomady ahafahana mampiato ny fidangan’ny vidim-bary hatreto. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny tompon’andraikitra iray dia efa mandeha hatramin’iny omaly iny ny fanaraha-maso ataon’ny minisitera tompon’andraikitra hitsirihana ireo mpanararaotra manoloana ny voina nateraky ny rivodoza. Raha ny tokony ho izy, na dia eo aza ny fahatapahan-dalana dia tsy tokony hisy fiakarana aloha ny vidim-bary. Tokony ho 1600 hatramin’ny 1650 ariary hatrany ny kilao eny amin’ny mpaninjara raha toa ka 1500 ariary kosa ariary kosa ny eny amin’ny mpamongady. Izany hoe, tsy tokony hisy 2000 ariary mihitsy. Mety ho anton’ny fiakarana anefa, raha ny fanazavana, ny fahasarotana amin’ny fahatapahan-dalana saingy hatreto aloha dia mbola mijanona ho 4000 hatramin’ny 4500 ariary ihany ny saran’ny fiakaran’ny kamiao mitatitra ireo vary eto an-drenivohitra. Azo heverina ho bainga navadiky ny minisiteran’ny varotra na dia mbola tafajanona amin’ireo mpamongady ihany aloha hatreto amin’ny ankapobeny ny fahatafidinan’ny vidin’ny lasakam-bary 50 kilao hatramin’ny 75.000 ariary ankehitriny raha toa ka 82.000 ka hatramin’ny 83.000 ariary izany tamin’ny volana novambra. Inona ny vahaolana mahomby avy amin’ny minisiteran’ny fambolena mba hampihena ny vesatr’ireo tantsaha mpamokatra eto an-toerana manoloana izao tsy fisiam-bary vokatry ny tany izao ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.