Actualités

Vahaolana amin’ny fahatapahan-jiro Andrasana ny fanapahan-kevitra


  • Alakamisy 29 Desambra 2016

Maro ny safidy efa natolotra ny orinasa Jirama ho famahana ny olana mikasika ny fahatapahan’ny rano matetika, indrindra ny fahatapahan-jiro lavareny niha mafy tamin’ity taona ity.

 Orinasa vahiny iraisam-pirenena ary tsy miankina avy eto an-toerana vitsivitsy no efa      nangataka fiaraha-miasa sy fifanarahana tamin’ity orinasa ity ho famonjena ny tontolon’ny angovo eto amintsika kanefa tsy tapa-kevitra ireo tompon’andraikitra. Efa nanao fifanarahana vita sonia tamin’ny orinasa amerikanina Symbion Power isika ary ny eoropeanina koa aza dia mba nanome tolo-kevitra, volana vitsy lasa izay. Ny volana oktobra teo dia efa nataon’ny orinasa tsy miankina Madagascar oil tetsy amin’ny toha-dranon’i Mandroseza mihitsy ny andrana mikasika ny famatsiana angovo tamin’ny alalan’ny solika mavesatra ary efa niaraha-nahita fa nahomby ary zakan’ireo fotodrafitrasan’ity orinasa ity. Nahagaga fa mbola nihemotra ny fanapahan-kevitra mikasika ny fiaraha-miasan’ny orinasa Jirama sy ity orinasa tsy miankina ity. Raha iverenana dia mpanjifa miisa 26.000 hatramin’ny taona 2014 no nangataka fampidirana jiro sy rano kanefa tsy nahazo valiny mahafa-po. Mitohy ihany koa ny fitarainan’ny tompon’andraikitry ny Jirama mikasika ny varotra fatiantoka mihatra amin’izy ireo manoloana ny toe-draharaha iainan’ny orinasa ankehitriny satria dia 1217 ariary/m3 ny masonkarenan’ny rano, saingy amidy 969 ariary. Eo amin’ny jiro indray kosa dia 947 ariary/Kwh ny masonkarena saingy amidy amin’ny mpanjifa 427 ariary. Inona ary no tanjona ambadika tian’ny fitondram-panjakana ahatongavana raha toa ka tsy avy amin’ireo tompon’andraikitra ny tsiny ?

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT