Actualités

Vadina mpirahalahy niady Nifanondraka maloto tamin’ny pô


  • Alatsinainy 30 Martsa 2015

Misy raha la terre ! Noho ny resa-bola efatra alina Ariary notrosaina dia renim-pianakaviana roa, vadina mpirahalahy mifanila trano ipetrahana, no nifanondraka maloto tao anaty pô, ny sabotsy maraina teo tany Toliara.

 

 Nanomboka ny zoma hariva ny fifamaliana teo amin’ireto mpirahavavy ara-panambadiana ireto, satria nitaky ny volany ilay vadin’ny zandry. Roa alina Ariray ihany anefa no nomen’ilay vadin’ny lahimatoa nindrana. Tezitra ny tompom-bola ary raikitra ny fifamaliana tamin’io andro io. Mbola nitohy ny narainan’ny sabotsy ny taim-bava. Niaka-pofona ny vadin’ny lahimatoa nindram-bola ka notondrahan’ny rano maloto tamin’ny pô teny an-tanàny ramatoa nitaky vola taminy. Rafitra ny fifampitolomana avy eo, tsy nety nosarahana mihitsy, hoy ireo nanatri-maso. Nilaza hifampitory ny roa tonta.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT