Actualités

V7V-Manakara Kamio nitondra “kits scolaires” nanapaka tetezana


  • Talata 11 Septambra 2012

Mizara roa ny tanŕnan’i Manakara omaly. Tapaka ny tetezam-by mampitohy any Tanambao amin’i Manakara Be ao Manakara renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany, tsy nahazaka ny vesatry ny kamiao be iray, izay araka ny fantatra dia mitondra “kits scolaires” haterina any amin’ny biraon’ny fari-piadidiam-pampianarana.

 Manana halava 40 metatra mahery eo ity tetezana ity, izay efa antitra ihany satria efa tamin’ny Repoblika Voalohany no nahavitany ary nanomboka tamin’ny 2007 dia efa nandraisana fepetra ka voafetra ny vesatry ny fiara afaka nandeha teo amboniny. Vokatry ny gaboraraka amin’izao tetezamita izao anefa dia tsy voahaja izay lanjan’entana zakain’ny tetezana izay ka dia izao tapaka nizara roa izao, ary dia nihantona tao ilay fiarabe, toy ny nitranga tany Marivorahona Ambilobe ny zoma 30 aogositra 2012 teo.

Soa fa tsy misy ny aina nafoy. Misy fiantraikany amin’ny andavanandrom-piainan’ny mponina sy ny fampandehanan-draharaha ao Manakara ny fahatapahan’ity tetezana ity. Tsy maintsy mandalo eo mantsy rehefa hihazo ny ankamaroan’ireo toeram-piasana sy biraom-panjakana ao Manakara. Nanokatra fidiram-bola vaovao ho an’ny mpivoy lakana anefa io fahatapahana tetezana io. 200Ar isan’olona ny saram-piampitana lakana amin’io toerana io amin’izao.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT