Actualités

UNESCO Nandray fepetra momba an’i Madagasikara


  • Alarobia 04 Aogositra 2010

«Na ho ritra aza ny ala atsinanana”, hoy ny fiteny mahazatra antsika malagasy, ilazana fa tsy ho tanteraka mihitsy izany. Ankehitriny anefa, dia tandindomin-doza izany ala atsinanana noheverin’ny Ntaolo fa tsy ho tapitra mihitsy izany.

Ny 31 jolay 2010 teo dia nivoaka ny tatitra iraisam-pirenena milaza fa dia tandindomin-doza ny ala atsinanana, izay vakoka iraisam-pirenena. Ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo hazo sarobidy, ny fanaovana tantely afa-drakotra ny ala ka hahafongana ireo biby tsy fahita raha tsy eto amintsika, toa ireo gidro izay efa tandidomin-doza no anton’izany. Nandritra ny fihaonambeny faha-34 ataon’ny Komity misahana ny vakoka iraisam-pirenena eo anivon’ny UNESCO moa no namoaka izany. Notsipihin’ity Komity ity fa misy ihany ny didim-panjakana mandrara ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo hazo sarobidy toy ny andramena sy ny voamboana, saingy mbola mamoaka fahazoan-dalana tsy ara-dalàna ihany ny mpitondra eto Madagasikara.

Ary dia anisan’ireo firenena hanondranana ireo hazo sarobidy avy aty ireo firenena izay efa nanaiky ny fifanarahana momba ny vakoka iraisam-pirenena. Manoloana izany indrindra dia miantso an’i Madagasikara hampitsahatra miaraka amin’ny vava ny fitrandrahana ireo hazo ka handray ny fepetra rehetra ho amin’izany. Miantso ireo firenena rehetra koa ny UNESCO tsy hampiditra eo amin’ny tsenany izay hazo avy aty Madagasikara. Tsara fantarina fa valanjavaboarim-pirenena enina no ahitana ala mando amin’iny faritra atsinanana iny. Ala mando izay manan-danja tokoa satria iankinan’ny ain’ireo zava-maniry sy zava-manan’aina sarobidy izay tsy fahita raha tsy eto amintsika, ahitana taratra ny tantara ara-jeolojian’ny nosintsika ihany koa ny ala mando.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT