Actualités

TVM Anosy Misy mitady hanafika ?


  • Zoma 08 Mey 2015

Nanaitra ny maro ny fahitana ny fihaodihaodin’ny andia-miaramila maro mirongo basy mahery vaika teo amin’ny foiben’ny televiziona nasionaly omaly maraina. Voasava hatramin’ireo mpiasa maraina tonga tao amin’ny RNM sy TVM mihitsy aza. Niely avy hatrany ny feo fa misy mikasa hanafika ity haino aman-jerim-

 

panjakana ity ka nohamafisina ny fiarovana sy ny fanaovana andrimaso azy. Loharanom-baovao hafa indray anefa no milaza fa fanazaran-tena amin’ny fiarovana fananam-bahoaka toy itony fotsiny ihany no natao teny an-toerana. Raha izay tokoa no izy, nahagaga fa tsy mba nampahalalana mialoha ny hanaovana izany ny mpiasa mba tsy hitebitety sy hanana fifantohan-tsaina amin’ny fanatanterahana  ny asany ny tontolo andro. Vao tsy nisy tapa-bolana lasa koa mantsy izay no saika nidiran-doza vokatry ny ankosona herinaratra tao amin’ity toerana ity, ka mampiahiahy ny mpiasa.


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT