Tontosa ny sabotsy 1 desambra teo ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny TV Plus Toliara, izay fahitalavitra tsy miankina voalohany ao an-toerana.
Nilaza i Siteny Randrianasoloniaiko, mpandraharaha mpanorina ny TV Plus Toliara fa «tsy ho faralahy intsony na ho faran’ny tetikasa i Toliara manomboka izao. Hitondra anjara biriky lehibe eo amin’ny fampandrosoana sy ny fanabeazana izao fahazoantsika fahitalavitra izao». Fa ny filoha Tale jeneralin’ny TV Plus Madagascar, Nicolas Rabemananjara kosa nilaza fa «rotiky ny mpanao politika ny tetezamita ka lasa tetezamitatra ankehitriny, raha roa taona no nifanarahana. Isika vahoaka ihany anefa no afaka manery mba hamaranana faran’izay haingana izany». Maro, hoy izy ny very asa noho ny krizy, mirongatra ny tsy fandriampahalemana, ka lasa miha mahantra sy sahiran-dava ny olona, nefa Atsimo Andrefana faritra manan-karena.
“Fanirianay ny handrakotra an’i Madagasikara iray manontolo. Koa hanaovanay antso avo amin’ny fanjakana izany satria miandrandra demokrasia marina ny vahoaka tompon’ny fahefana”, hoy hatrany i Nicolas Rabemananjara». Araka ny fantatra dia Antsirabe sy Toamasina no tanàna manaraka hanokafana ny TV Plus Madagascar.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.