Actualités

Tsy omen’ny FAT vola Hirehitra indray Ankatso


  • Alarobia 15 Septambra 2010

Manoloana ny zava-misy ankehitriny dia fantatra, omaly, fa voatery tsy maintsy hikatona tanteraka ny oniversiten’Ankatso manomboka ny sabotsy izao. Ny fakiolten’ny siansa no fantatra fa hanomboka ny hetsika.

Ny tsy fisian’ny vola hampihodinana ity oniversite ity intsony mihitsy no antony. Efa volana maro lasa izay no nisy ity olana ity ny teny Ankatso ary efa nisy mihitsy ny fitokonana nataon’ny mpianatra saingy raha ny zava-misy amin’izao dia mahatsiaro tena voafitaka ihany ireo mpianatra. Volana vitsy lasa mantsy izay dia nitokona ireo mpianatra noho io tsy fisian’ny vola hampihodinana ny oniversite io. Andro maro no naharetan’io fitokonana io ka nolazaina ireo mpianatra fa niravona ny olana satria efa nomen’ny fanjakana ny lelavola 5 miliara ariary hampihodinana ny oniversite. Taorian’izay dia niverina nianatra ny mpianatra saingy omaly tsy niova ny zava-nisy. Na ny taratasy misy ny fianarana na ny fanazarana aza tsy misy mpampianatra manome izany intsony. Mpampianatra iray no hany mba manome araka ny fantatra teo anivon’ny mpianatra ao amin’ny fakiolten’ny Haisoratra. Araka ny filazany dia vola am-paosiny no hanaovany izany.

Tsy afaka mihodina intsony ny oniversite kanefa andro sisa no isaina dia tokony hiditra amin’ny fanadinana ireo mpianatra. Etsy andanin’izay dia mahatsiaro tena ho tsinontsinoavina ny mpianatra amin’izao fotoana izao satria misy ny mandrahona eo anivon’ny FAT fa taona fotsy ity taona ity raha vao manao fitokonana eo ny mpianatra. Tsy vitan’ny vola am-pihodinana ny oniversite ihany mantsy no olana ankehitriny fa hatramin’ny volana jolay dia tsy nahazo vatsim-pianarana ny mpianatra eny Ankatso. Betsaka ireo zanak’olona sahirana mba manantena izany kanefa hatramin’izay naha oniversite ny eny Ankatso dia tsy mbola nisy tranga tahaka izao araka ny fitantaran’ireo mpampianatra efa naharitra ela teny. Tsy ny eny Ankatso ihany no misy olana fa efa navoitra teto ihany koa fa ny mpiasa ao amin’ny Antenimierandoholona izay an-jatony maro dia efa roa volana izay no tsy nandray karama, tsy mandray tambin-karamany koa hatramin’izao ireo mpampianatra FRAM, ka milaza hanao hetsika anio. Raha izao no mitohy dia mety hitatra amin’ny tsy fandraisan’ny mpiasam-panjakana karama ihany koa. Ny vola miditra mantsy kely sisa ho an’izay mba mandoa hetra miampy ny avy any ivelany tsy misy noho ny amboletra ataon’ny FAT dia mety hiafara amin’ny hetsi-bahoaka mihitsy ity krizy ity. Amin’izay fotoana izay dia betsaka ny FAT ho vaky bao, ka hitsoaka any ivelany any. Ho hita eo ny tohiny. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT