Mitohy ny fitokonana faobe ho an’ireo mpiraki-draharahan’ny fitsarana manerana ny nosy anio. Tsy nahafa-po ny fanapahan-kevitra noraisin’ny governemanta ary tsy hampihemotra ny fitakianay mihitsy iny, hoy ny solontenan’izy ireo omaly
. Hita aloha hatreto fa tena mikatso ny raharaham-pitsarana eny Anosy, ary na ireo olona nosamborin’ny polisy sy ny zandary aza dia tsy azo notsaraina, ka na naverina eny am-ponja na dia nisy navotsotra tsotra izao. Tsara homarihana fa mandringa tanteraka ny asan’ny mpitsara raha vao tsy eo ny mpiraki-draharaha. Manampy ny mpitsara amin’ny asa rehetra izay atao mantsy izy ireo. Asan’ny mpiraki-draharaha, ohatra, ny mandray an-tsoratra izay rehetra mitranga mandritra ny fitsarana, soniavin’izy ireo izay vao manankery araka ny lalàna izany rehetra izany. Izay no mahatonga ny hoe:tsy misy ny raharaham-pitsarana raha vao tsy miasa ny mpiraki-draharaha satria tsy misy zavatra azo atao mihitsy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.