Actualités

Tsy misy “bourse” Nihetsika ny mpianatr’Ankatso


  • Talata 21 Septambra 2010

Leo ny fafy lainga ny mpianatra eny amin’ny oniversite. Omaly maraina mantsy izy ireo dia nanao hetsika ka nikatona ny vavahady miditra teny an-toerana. Nitokona teo amin’ny esplanade ny mpianatra.

Ny anton’izany dia satria taorian’ny lahatsoratra izay nivoaka teto tamin’ny herinandro ny amin’ny hisian’ny fihetsehan’ny mpianatra amin’ity herinandro ity dia nampiantso mpanao gazety ny ministry ny Fampianarana ambony nilaza fa omaly alatsinainy raha ela indrindra no handoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra roa volana. Efa samy nitondra ny karatra ahazoana izany avokoa ny mpianatra teny Ankatso omaly satria hivoaka ny vatsim-pianarana. Hatairana sy hadisoam-panantenana anefa ny an’izy ireo satria na ny kalandrie milaza ny handoavana ireo vatsim-pianarana ireo aza tsy mbola nipetaka ho peta-drindrina akory. Izany moa dia mbola ankoatra ny vola 5 miliara ariary fampandehanana ny oniversite. Noho izany rehetra izany dia kivy ny mpianatra ka nanao hetsika izay nolazain’izy ireo fa ho fanairana ihany.

Etsy andaniny, omaly hariva dia nolazaina tamimn’ny alalan’ny haino aman-jerim-panjakana indray fa efa narotsaka any amin’ny kaontin’ny oniversite ny vatsim-pianaran’ny mpianatra. Tsy nahasahy niantso mpanao gazety intsony mikasika izany ny teo anivon’ny fampianarana ambony fa novakiana tamin’ny haino aman-jerim-panjakana fotsiny izany. Hatramin’ny omaly anefa tsy mbola misy ny fandahram-potoana izarana io vola io. Manoloana izany rehetra izany dia very fanahy mbola velona tahaka ny valala voatango ny mpianatra. Misy mantsy ireo efa hanao fanadinana amin’ny voalondohan’ny oktobra izao kanefa ny vatsimpianarana roa volana tsy misy. Hihetsika toa matahotra ihany satria ampihororoana taona fotsy. Ny filohan’ny oniversite moa tsy ahitan-teny manoloana izao. Tsy ferana koa ny fisian’ny hetsika hamonoana afo any ambadika any. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT