Actualités

Tsy milamina ny tany Miaramilan’ny RM3 manendaka


  • Zoma 30 Novambra 2012

Anisan’ny mampitaraina ireo mpiasa sy ny olona ary ireo mpivelona amin’ny posy bisikileta tratra hariva mamonjy fodiana ny afitsok’ireo jiolahy mpanendaka ao amin’ny bazary Valpinson Toamasina.

 Tena manakan-dalana ireo mpitaingina moto sy bisikileta ary mampijanona posy mihitsy ireo jiolahy amin’ny asa ratsy fanaony. Ampiasainy avokoa na antsy na “Guarden Angel TW-10” (fitaovana misy herinaratra mahatratra 300V) entiny mandrahona sy mandoro ny olona endahany. “Tsy latsaky ny 5 isan’andro ny fitarainana voarainay eto amin’ny FIP amin’ny afitsok’ireo jiolahy mpanendaka ireo”, hoy ny Officier Rafaliarivo Jules, komandan’ny FIP Toamasina.

Ny alin’ny alarobia dia mpiasa alim-podiana no lasibatr’ izy ireo, ka lasa tamin’izany ny vola sy firavaka ary ny finday teny aminy. Nisy, noho izany, ny vela-pandrika natao tamin’ireto jiolahy ireto ka tratra ambodiomby teo am-panendahana polisy roa nampitafiana akanjon’olon-tsotra izy telo lahy mpanendaka.

Mbola tratra tany amin’izy ireo koa ireo fitaovana fampiasany sy entiny mandrahona ireo olona tratrany. Nilaza tsy nanontaniana ireto jiolahy ireto rehefa nifanebaka ampahibemaso fa miaramila am-perinasa ny iray amin’izy ireo, ary miasa eo anivon’ny RM3 Toamasina. Mbola raharaha hafa indray koa izany ny azy ity.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT