Manomboka tsy milamina indray ny any amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny noho ny asan-dahalo. Fantatra izao fa zandary avy ao amin’ny FIGN 30 niampy miaramila avy eny amin’ny 1er RFI Ivato miisa 30 ihany koa no nalefa any amin’ny distrikan’i Betroka, araka ny vaovao avy any amin’ny zandarimariam-pirenena.
Nisy ny olona iray maty ary olona 2 hafa nalain’ny dahalo an-keriny tany Andrihiry,Tsarahitsy ao amin’ny distrikan’i Betroka. Ny fahafatesan’ny dahalo raindahiny antsoina hoe Rekamba ny 5 aprily lasa teo no fantatra fa nitarika ny savorovoro satria dia lasa nanafika ny tanàna misy ireo noheveriny fa namono ity dahalo ity ireo namany mba hamaly faty. Mbola andrasana ny tatitr’ireo miaramila nalefa any an-toerana mba hahafantarana ny fivoroan’ny toe-draharaha .
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.