Actualités

Tsy mihaino intsony ny mpitondra ankehitriny Hikarakara fihaonambe ny TVMA


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2015

Tsy mihaino ny fikambanana intsony izay mijanona ho mpanolo-kevitra ny mpitondra ankehitriny, hoy ny fikambanana Tambajotran’ny Vahoaka mandray andraikitra tarihin'ny filoham-boninahiny Rakotomalala Désiré.

 

 Hikarakara fihaonam-be entina handinihina izany izy ireo, ho an'ireo fikambanana mitovy fomba fijery aminy. Tanjon'izy ireo ny hamadihana ny fikambanana hanjary ho hery afaka manery sy manatsara ny sehatry ny fampandrosoana eto amin'ny firenena fa tsy ho mpanolo-kevitra intsony. Diso latsaka anaty fahantrana loatra mantsy ny 92 %-n'ny Malagasy, hoy izy ireo. Ny mpitondra anefa eo an-daniny variana manangona ny maro an'isa ho azy eny anivon'ny antenimieram-pirenena sy ny kaominina fa tsy mijery izany intsony. Mikasika ny fifidianana Ben'ny tanàna farany teo dia nambaran'izy ireo fa ny 70 %-n'ny Malagasy no efa tsy nifidy izay midika ho fahatapahan'ny fifandraisana eo amin'ireto farany sy ny fitondram-panjakana. Misy fiantraikany eo amin'ny toekaren'ny firenena izany, hoy hatrany ny fikambanana TVMA, antony hitadiavan'izy ireo lalan-kafa hizorana ho an'ireo 92 %. Efa mahatratra 112 moa ny fikambanana miaraka amin'izy ireo ankehitriny.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT