Actualités

Tsy mena-mivadika


  • Zoma 11 Septambra 2015

Niala tamin’ny fahanginany ny foloalindahy ary tsy nanafina intsony ny disadisa misy eo aminy sy ireo namany polisy


. Rehefa ny betsimiteny «grande muette» no tsy mahatam-bava dia ao raha ? Nahazo tso-drano tamin’ny filohan’ny Repoblika izay filoha faratampon’ny foloalindahy sa nihoa-pefy ka manao ny sitrapony. F’angaha dia misy valaka amin’izany ny eny Tsimbazaza eny, fa ny toerana fotsiny no samy hafa. Tsy voafehin’izay antoko na fikambanana nahavoafidy azy ny depiote fa dia mandeha tsy voizina amin’izay mahadiavolana ny sainy. Omaly izy tsy miankina, androany mpanohana ny fitondrana, dia rahampitso ho mpanohitra indray. Fanina hatramin’ireo nifidy azy. Dia io fa mitady hifindra eny amin’ny fifidianana kaominaly indray ny viriosy. Misy tampotampoka ny milaza fa efa niova fo satria te ho lany Ben’ny tanàna mafy. Tena tsy mena-mivadika mihitsy.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT