Actualités

Tsy manan-kialofana eto Antananarivo Hananganana trano fonenana


  • Sabotsy 18 Novambra 2017

Hisy ny tetikasa fananganana trano ho an’ny fianakaviana sahirana tsy manan-kialofana eto an-drenivohitra. Fantatsika tsara ny ohabolana hoe :

 “ jiolahy manan-trano ka sarotra atao olon-daratsy”, hoy ny minisi-panjakana miandraikitra ny tetikasan’ny filoha, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana Benjamina Ramanantsoa omaly. Io no mampiavaka ny olombelona amin’ny biby, dia ny fananana trano honenana, hoy izy. Hiroso amin’izay isika ary hanokana vola hahafahana miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina hirosoana amin’ny fanomezana trano ho an’ireo fianakaviana sahirana ireo ny fitondram-panjakana. Izay ihany koa no hahafahantsika manakana ny firosoan’ny tanàna tsizarizary na ny “bidonville” ankehitriny. Raha mijery ny eto amin’ny tanànan’Antananarivo, ohatra, dia toerana maro no ahitana izany, toy ny eny Ampefiloha Ambodirano. Manjary lasa olana ho an’ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo ireny. Tsy eto ihany fa rehefa mijery ny tanàn-dehibe eto Madagasikara isika dia mahita io toe-javatra io. Fantatsika tsara ihany koa ny fitombon’ny mponina an-tanàn-dehibe eto Madagasikaraka, ka tsy maintsy misy tetika hapetraka dieny izao hahafahantsika mitsena azy. Harafitra ao anatin’ny politikam-pirenena mikasika ny trano fonenana ity tetikasa ity, ary tsy azo adinoina ny fananan-tany. Efa miroso amin’ny lalàna mikasika ny satan-tany vita titra isika. Apetraka hatrany fa ny Malagasy no tompony ary izy no mila misitraka voalohany ny tany. Tsara ny tetikasa tian-kapetraka fa tsara kokoa raha laroina politikan’ny fampananan’asa mazava sy tsara petrapetraka ary sahaza ho an’ny Malagasy rehetra na ambanivohitra na an-drenivohitra izay anisan’ny vahaolana mahomby hisorohana ny fitsoahana mihazo ny tanàn-dehibe. Tsy afa-misaraka amin’izany ny fampandriana fahalemana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT