Actualités

Tsy maintsy hiakatra ny vidin-jiro


  • Alakamisy 26 Martsa 2015

Nivarotra herinaratra tao anaty fantiantoka ny Jirama hatramin’ny taona 2009 hatramin’izao. Raha 664Ar ny saran’ny famokarana ny herinaratra 1kwh dia tsy namidy afa tsy 372Ar izany mba hitsinjovana ny fahefa-mividin’ny mpanjifa.


 Ny fampitahana ny herinaratra novokarina  sy ny fandaniana ara-tsolika izay vatsian’ny orinasa Galana no nahitana fa maty antoka ny Jirama. Etsy an-kilany ny gaboraraka teo amin’ny fomba fitantanana ity orinasa ity. Vokatry ny fanaraha-maso nataon’ny fanjakana ar y dia fantatra izao fa mpiasan’ny jirama miisa 8 no efa naiditra am-ponja  tany Toamasina satria tratra am-bodiomby nangalatra. Nandritra ny fivorian’ireo mpitondra fanjakana voakasika amin’ny raharaham-pitantanan’ny Jirama  teny amin’ny lapan’ny  praiminisitra teny Mahazoarivo ny 24 martsa teo no nahafantarana izany rehetra izany. Eo ambany fitarihan’ny praiminisitra, ny Jeneraly Jean Ravelonarivo dia efa eo am-pikarohana ny vahaolana haingana amin’ny fanarenana ity orinasa ity ny eny amin’ny Primatiora. Tsy ho mora anefa ny hampihatra avy hatrany ny tena tokony ho vidin’ny herinaratra satria mety hampikaikaika ny mpanjifa izany, indrindra fa tsy mbola lavorary ny famatsiana noho ireo delestazy matetika.

Légende:Nodinihana manokana teny mahazoarivo ny momba ny Jirama

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT