Actualités

Tsy hita ilay “bourse” Miitatra ny grevy eny Ankatso


  • Alarobia 22 Septambra 2010

Niitatra toy ny sima misioka ny fitokonana eny amin’ny oniversite omaly. Raha mpianatra vitsy ihany no nanatrika ny fitokonana fanairana afak’omaly dia nitombo isa izany ka isan’ireo nanamafy ny hetsika ny mpianatra avy ao amin’ny fakiolten’ny Haisoratra.

Tsy vitan’ny fitakiana ny vatsim-pianarana roa volana intsony ity tranga eny Ankatso ity fa niitatra. Omaly mantsy dia niantsoantso ireo mpianatra ny amin’ny fitakiana vatsim-pianarana telo volana. Tsy vitan’izay ihany fa mbola nitaky ny hampakarana 10% ny vatsim-pianarana ihany koa izy ireo. Tokony tamin’ny 9 ora maraina teo no nanomboka nivory ny mpianatra. Tsy mbola betsaka ireo mpianatra teo. Ora iray taty aoriana anefa dia nivoaka avokoa ny mpianatra rehetra hatramin’ireo tao amin’ny fakiolten’ny Haisoratra. Nihamafy araka izany ny hetsika satria maro tamin’ireo mpianatra no resy lahatra tsy fidiny vokatry ny fahadisoam-panantenana.

Omaly mantsy dia mbola nilaza ny haino aman-jerim-panjakana fa efa narotsaka any amin’ny kaontin’ny oniversite ny vatsim-pianaran’ny mpianatra. Hatramin’ny omaly io anefa na ny kalandrie hizarana ny vatsim-pianarana fotsiny aza tsy mbola nivoaka teny Ankatso. Araka ny nolazain’ny mpampianatra vitsivitsy moa teny Ankatso dia tsy ny mpianatra ihany no voakasika amin’ity fitokonana ity fa hatramin’ny mpampianatra ihany koa. Ny vola hampiodinana ny oniversite mihitsy mantsy no tsy misy. Mety hiitatra hatrany amin’ny mpandraharahan’ny oniversite sy ny mpampianatra mihitsy ity hetsika eny Ankatso ity. Harahina akaiky moa ny mikasika ity tranga ity. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT