Miparitaka eran’ny tanŕna ao Toamasina ireo basy vita gasy fampiasan’ireo “dahalo niova fo” tamin’ny halatra omby fanaony tany atsimon’ny nosy.
Misy noho izany ny ezaka ataon’ny polisy ao Toamasina ho famongorana izany ankehitriny, ka ny alakamisy teo dia basy vita gasy iray fampiasana amin’ny bala “calibre 12” no saron’ny polisy niaraka tamin’ireo mpampiasa azy roa lahy, nahitana mpitondra posy 26 taona sy mpivarotra fanitso tao Ankirihiry 24 taona. Niaiky ny fanaovany fikambanan-jiolahy izy mirahalahy ireto saingy tsy nanoro ny namany sy izay basy mbola any amin’izy ireo. An-kilan’ireo dia sarona ihany koa ny sabotsy tamin’ny 2ora maraina ny mpanendaka mpampiasa sabatra ho fandrahonana olona. 3 lahy izy ireo no nifanenjehan’ny andrimasom-pokonolona sy ny polisy saingy tafaporitsaka ny iray, ka ny roa lahy no tratra izay niaiky ny heloka fanaony. Ho an’ny mahalala tsara ny zavatra toy izao, dia nanamafy avokoa fa ireo “dahalo niova fo” tany atsimo ireto tonga manao vondrona andian-jiolahy ao Toamasina ireto, ka ireo basy vita gasy fampiasany tany no ampiasainy amin’izany, izay mora afenina mandritra ny Dia ataony. Anio no hiakatra fitsarana izy ireo, ka hirian’ny mponina ny hihazonana azy ireo am-ponja ho antoky ny filaminana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.