Actualités

Tsy fanokafana ny TIKO


  • Alatsinainy 02 Novambra 2015

Hanimba ny toekarena malagasy, hoy i FANEVA Raholdina Lasa hoentina amin’ny resaka politika ny fandraharahana ataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny fangatahany hanokatra indray ny orinasa Tiko noforoniny, hoy Atoa Faneva Raholdina mpandinika fiarahamonina.


Tokony hazava amin’ny mpitondra ankehitriny anefa fa ny tsy fanokafan-dry zareo ny Tiko dia hanimba ny fandraharahana ara-toekarena eto amintsika. Tena tsy hisy mpampiasa vola avy any ivelany ho sahy hiroboka ka hampiasa vola eto amintsika noho ny fahafantarana izany trangan-javatra izany satria heverin-dry zareo fa tsy ho azo antoka ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Ny mpandraharaha ara-toekarena teratany Malagasy nikoizana sady filoham-pirenena teo aloha aza hampiharana izany toetra fanakantsakanana sy filana antsojay izany,  hoy izy ireo mainka fa izahay vahiny ? Faharoa dia tokony ho fantatry ny fitondrana malagasy fa hampidina ny vidin’entana eny an-tsena ny fisokafan’ny tambatr’orinasa Tiko satria mamokatra menaka, yaourt, fromage … ary mivarotra vary  amin’ny vidiny  ambany izy.

Raha ny mikasika ny resaka « iles éparses » indray dia nambaran’Atoa Faneva  Raholdina   mazava fa tokony ho fantatry ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina fa anisan’ireo firenena eoropeanina nanameloka sy nanasazy an’i Rosia tamin’ny fotoanandrony ny Frantsay tamin’ny resaka fakan’ity farany ny nosy iray izay voafaritra tsara fa an’ny firenena any Azerbaîdjan.  

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT