Lasa lamaody ny fanoherana didim-pitsarana amin’izao fotoana izao. Ny olona tokony ho fitaratry ny fiarahamonina mihitsy no toa zary mpanome leson-dratsy.
Taorian’ny loholona Riana Andriamandavy VII nitarika andian’olona hikomy sy nitaky ny hamoahana an’i Claudine Razaimamonjy dia loholona hafa indray voafidy tany Ampanihy no tsy nanaiky hampidirana am-ponja vonjimaika ny ben’ny tanàna iray fa olony, hono. Vatrany ny nitondra andian’olona nanoloana ny lapam-pitsarana nandrahona ny mpitsara namoaka didim-pitsarana. Resaka fanararaotam-pahefana sy fitakiana vola aman’olona no hanenjehan’ny fitsarana ilay ben’ny tanàna, araka ny fantatra. Samy mijoro hanohitra didim-pitsarana ankehitriny rehefa manana fahefana sy fitaovam-piadiana sy ny mpanam-bola raha dinihina amin’ny zava-misy ankehitriny. Ny fitsarana eto amintsika mihitsy ve no efa malemy sa porofon’ny tsy fananana fiandrianana intsony tokoa ? Voahitsakitsaka ny hasin’ny fitsarana amin’ny alalan’ny fanohintohinana isan-karazany, indrindra ny tsy fankasitrahana didim-pitsarana maromaro tato anatin’ny herinandro. Vao andro vitsy izay ny mpandraharaha ny fonja 3 lahy no nohelohina higadra 2 taona an-tranomaizina saingy raikitra ny fanoherana niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana. Ny tany Toamasina dia nandrahona ny tsy hanatanteraka didim-pitsarana ny zandarimaria raha tsy mifanaraka amin’ny eritreriny izay didy mivoaka. Ilay ramatoa malaza tamin’ny kolikoly tokony ho eny Antanimora moa dia efa 60 andro mahery izay no nikipiana sy tsy noraharahiana ny resaka famonjana vonjimaika. Mety hisy politika avo lenta hamotehana ny sendikan’ny mpitsara (SMM), izay mampiaka-peo matetika manoloana ireo raharaha mafana eto amin’ny firenena izao toe-javatra izao, ka hatao izay hanaovana tambabe azy ireo sy hampiadiana azy amin’ny rafitra isan-karazany mba hampalemy azy sy tsy hananany fahefana feno manoloana ireo raharaha maloto eto amin’ny firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.