Actualités

Tsy fandriampahalemena Hampiofanana vehivavy hiaro tena ny Dojo Body Action


  • Talata 05 Mey 2015

Iaraha-mahalala ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina Malagasy ankehitriny. Tsy mionona amin’ny fandrobana sy fangalarana intsony fotsiny ireo olon-dratsy fa tsy misalasala manala aina mihitsy. Lasibatra manokana amin’ny fanolanana ihany koa matetika ny vehivavy.

 

 Noho ireo antony ireo indrindra no nahatonga an-dRajaona Edouard Niaina Tsilavina na maître Nanou hanome fanofanana fiarovan-tena ho an’ireo vehivavy feno 18 taona no ho miakatra na tovovavy nahazo fahazoan-dalana avy amin’ireo ray aman-dreniny. Maharitra efa-bolana ary indray mandeha isan-kerinandro ny fampiofanana eny amin’ny Dojo Body Action Behenjy Itaosy. Hifototra amin’ny fifehezana ireo fitaovam-piadiana samihafa na «armes blanches» miaraka amin’ny fampitana ireo teknika haiady ny fampianarana. Efa misokatra moa ny fisoratana anarana ary hanomboka ny tapaky ny volana mey 2015 izao kosa ny fanofanana.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT