«Ny zavatra mitranga tato ho ato dia efa taratra fa tsy hisy fifidianana hadio eto», hoy i Camille Mektoub.
Notanisainy moa ny zava-nitranga nanomboka tamin’ny fifidianana izay hitondra ny FJKM tany Manakara, ny FLM tany Toliara izay samy nananan’Ambohitsorohitra kandida. Ankoatra ireo dia niaraha-nahita koa ny nitranga tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny fikambanan’ny zanak’i Toliara izay nanaovan’ny kandidan’Ambohitsorohitra amboletra. Efa nisy vata fandatsaham-bato, hoy izy kanefa dia natao tsangan-tanana ny fifidianana. Tetsy andanin’izay koa dia tsy tahotra tsy henatra ny filohan’ny CENIT izay tonga mandondom-baravarana any an-dapa. Zavatra tsy misy ary tsy fanao izany, hoy i Camille Mektoub izay nilaza fa mazava fa tsy hisy fifidianana ho vanona eto.
Raha ny tokony ho izy dia ny Komitin’ny fampihavanana na FFM no apetraka mialoha saingy noho ny kajikajy politika dia izy indray no napetraka farany. Samy tsy misy atokisana, hoy i Camille Mektoub na i Victor Manantsoa na Rasolondraibe Perry satria ity farany dia nametraka an’i Andry Rajoelina teny Mahamasina. Tsy hisy fampihavanana sy famotsoran-keloka marina eto fa izay tiany no omeny izany, hoy hatrany i Camille Mektoub.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.