Actualités

Tsy fandriampahalemana Mariky ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny fitsarana


  • Alarobia 05 Septambra 2012

Mampanahy ny fandehan’ny zava-misy amin’izao fotoana izao, hoy ny mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, Randriamamizafy Ignace, indrindra manoloana ny fihetsiky ny SADC sy ny fivoizan’ny sasany ilay hoe «ni…ni».

Tsy azo ampiharina izany raha tsy misy lalàna. Voizina mafy ny hoe «ni…ni», hoy Ignace, ka ny filoha Ravalomanana no kendrena amin’izany. Zaran’i Andry Rajoelina manko, hoy izy misy an’io mba tsy ho afa-baraka. Atahorana ihany koa ny momba ny tombana hataon’ny SADC izay tsy vita raha tsy any amin’ny 17 oktobra, araka ny filazany hatrany. Raha ny lalàna anefa dia tokony hipetraka eto mialoha ny 1 novambra izay hirotsaka hofidiana. Raha ny fomba fiasan’ny SADC, hoy ity mpikambana eo anivon’ny kongresy ity dia manahirana ihany satria hatramin’izay, hoy izy misy ny hoe ‘urgent’ ohatra ny fampihaonana an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, efa tamin’ny volana jona. Tsy tanteraka anefa izany raha tsy efa 45 andro taty aoriana. Mila jerena akaiky izany ary dia nanao antso avo tamin’i Marc Ravalomanana sy ireo mpanara-dia azy ho mailo ny CT Ignace.

Tetsy andanin’izay dia nambaran’ity mpikambana eo anivon’ny kongresy ity fa matoa misy fitsaram-bahoaka toy izao dia tsy matoky ny fitsarana, tsy matoky ny mpitandro ny filaminana ny vahoaka. Nomarihiny koa fa maika nanameloka i Andry Rajoelina tamin’ireny 7 febroary nahafatesana olona 37, hoy Ignace kanefa izao an-jatony no mamoy aina, tsy re feo ny filohan’ny FAT. Ankoatra izay dia notsipihany fa karazan’ny hampirisihana hifamono ny vahoaka izao satria lazaina fa hofanina eo amin’ny fiarovan-tena ireto farany. Fanontaniana moa no napetrany ny amin’izay ilana ireo zandary sy miaramila izay karamain’ny vahoaka.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT