Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ao Toliara tampon-tanàna tato ho ato, indrindra taorian’ny namonoan’ireo jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana mpandraharaha iray tao amin’ny fokontany Mahavatse I, izay nahatara ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana, ka nampamaivay mafy ny fanakianana an’ireo bebaoty, dia hentitra ny Prefen’i Toliara, Andrianjafiniaina Lahiniriko Edouard, tompon’andraikitra voalohany amin’ny filaminam-bahoaka, fa “tsy tokony hitsikombakomba na hiray tendro amin’ireo olon-dratsy ny mpitandro ny filaminana, fa natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ”. Nanentana ny vahoaka ho tony hatrany koa izy ka hiara-misalahy ny rehetra amin’ny famongorana ny ratsy, ka hampilaza amin’ny filohan’ny fokontany na ny mpitandro ny filaminana rehefa misy na mahita olona mampiahiahy mandalo eny amin’ny fokontany.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.