“Misy Remenabila ambony latabatra eto”, hoy i Manoela Ralaimampisainarinony manoloana ny zava-misy any Atsimo amin’izao fotoana izao.
Avy any rahateo moa ny tenany. Efa nisy foana ny malaso hatramin’izay saingy voafehy izany, hoy izy. Araka ny nampitainy dia hary fitaovana ireo malaso manafika ny any Atsimo amin’izao. Avy amin’ny faritra maro ireo dahalo, hoy ihany ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity. Omena basy ireo andian’olona ireo dia miady. Ankoatra azy ireo anefa dia ao koa ny ambony latabatra izay be dia be. Araka ny vaovao ihany dia misy “uranium” ao Betroka, ahitana vato sarobidy toy ny diamondra koa ao Bekily ka izany no hampiadiana ny samy Gasy. “Tsy ny Frantsay no hampiady antsika eto ary tokony hipetraka tsara ny tafika Malagasy saingy tena haharo ny tanindarzana ve ny tafika ? Araka ny fanazavan’ity farany ihany dia ao avaratr’i Manantenina no andefasana ireo omby an’alina lasa. Misy farihy lalina, azon’ny sambo iantsonana ao, hoy izy.
Nambarany fa tsy any Kaomoro no hanondranana ireo biby ireo. Tsy any Betroka ihany no sahirana amin’ny resaka fandriampahalemana fa hatrany Toliara, hoy izy. “Toliara izao efa lasa miroro sy mihorohoro”, hoy i Manoela. Mikasika ireo miaramila sy hery manokana nalefa any Betroka indray dia tsy hiady amin’ny dahalo fa hiaro an-dRajoelina fotsiny ihany amin’ny fandalovany any an-toerana. Aminy dia tsotra ny vahaolana. “Tsy zakan-dRajoelina ny fitantanana ny firenena. Any amin-dRavalomanana ny fanalahidy farany ka miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny tenany hahatanteraka izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.