Actualités

Tsy fandriampahalemana Alain’ny jiolahy baraka ny Emmo-Reg


  • Zoma 03 Septambra 2010

Ataon’ny olon-dratsy mivezivezy etsy sy eroa ary toa alainy baraka mihitsy aza indraindray ny Emmo-Reg izay vao nampiantso mpanao gazety afak’omaly fa milamina ny tany ary tsy dia betsaka izany ny asan-jiolahy fa ny fomba filazan’ny haino aman-jery azy no matavy.

Vao nivoaka tamin’ny fahitalavitra sy ny radio ny vaovao ny alin’iny fanazavan’ny Emmo-Reg iny dia avy hatrany dia nirongatra indray ny asan-jiolahy. Fanafihana efatra no indray nitranga ny alin’iny ihany. Tsy nisy voasambotry ny Emmo-Reg izay ifandrimbonan’ny miaramila, ny zandary ary ny polisy ireo jiolahy izay raha araka ny fahafantarana azy dia andian-jiolahy mitovy ihany no nanatontosa ireo fanafihana. Niainga tetsy Ambohimasina Itaosy ny asa ratsin’ireo jiolahy, tokony ho tamin’ny folo ora alina teo, ny alin’ny alarobia. Mba tsy tontosa aloha izany rehefa voaantso ara-potoana ny Emmo-Reg. Rifatra ny jiolahy ary tsy hita izay nalehany aloha teo. Adiny roa taty aoriana indray, izany hoe manodidina ny misasakalina dia naneno indray ny findain’ny Emmo-Reg izay nisy nampandre fa nanafika eny Tsilazaina-Ambohijanaka ireo jiolahy ireo ihany. Ny Responsable Financier an’ny CNAPS no voaroba teo. Lasa tamin’izany ny vola iray tapitrisa ariary sy ny volamena ary ny finday maro izay nisy fahana mitentina dimy hetsy ariary. Efa vita ny “opération” teo vao tonga indray ny Emmo-Reg. Tsy izay ihany fa mbola nisy iray hafa ihany koa teny Alasora.

Mba tsy tontosa io rehefa tonga ara-potoana ny Emmo-Reg. Mbola ireo jiolahy mitovy hatrany no nanafika mpitatitra iray tetsy Ambohitromby-Ambohijanaka, tokony ho tamin’ny roa maraina, omaly. Tsy namelan’ireo raha tsy nahazoany vola mitentina roa tapitrisa sy firavaka volamena maromaro. Nisy mihitsy aza ny poa-basy nandritr’ireo asan-jiolahy ireo. Efa nanjavona koa ny jiolahy vao tonga ny mpitandro ny filaminana. Tetsy Sabnam indray, tokony ho tamin’ny roa ora maraina omaly dia vola telo tapitrisa ariary no lasan’ny enin-dahy mirongo fiadiana. Tonga teny ny mpitandro ny filaminana taorian’io fanafihana io. Raha aravona izany dia avezivezin’ny jiolahy mihitsy ny Emmo-Reg tao anatin’ny alina iray. Tsy misy ny hatahorana, hoy ny lehiben’izy ireo satria fanafihana roa na telo isan-kerinandro no miseho. Ny hadino dia ny hoe nisy tao anatin’izay ny zandary naratra voatifitra ary izao koa dia mbola fanafihana efatra no indray miseho ao anatin’ny alina iray. Asa, mbola tsy misy ihany ve ny atahorana ? 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT