Noho ny tsy fanarahan-dalŕna amin’ny fidirana amin’ny lalana tsy tokony hidirana sy fandehanana amin’ny ora tsy azo hivoahana dia sarety maro no tazana fa voatazona etsy amin’ny “parking” malalaka ambadiky ny Tribune Centrale etsy Mahamasina izay misy ny birao miandraikitra ny fandoavam-bolan’ity Kaominina ity ho an’ireo fiara rehetra tratran’ny “Contravention” noho ny hadisoana nataony.
Satria voakilasy ho anisan’ireo antsoina hoe fiara ireo sarety ireo na dia entin-tanana aza ka mitovy amin’ny mahazo an’ireo fiara mandeha amin’ny solika voatana ihany koa ny fe-potoana hitazonana azy ireo “fourrière” dia ny 10 andro katroka saingy ny sazy aloan’izy ireo no tsy mba arakaraka ny herin’ny fiara misy fa tonga dia vola voafetra ho 10.000 Ar kosa izay 10 andro izay. Ireo entana eo ambonin’ireo sarety aloha dia tsy voakasiky ny fitazonana fa azon’ny tompony alaina nefa mahagaga raha ny hita fa toa ranon-tany hanaovana fanotofana nafatratra anaty gony maromaro ny ankabeazany izay atahoran’ny tompony no maka azy satria mbola voararan’ny lalàna misy ankehitriny io resaka fanotofana ato io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.