Actualités

Tsy fanarahan-dalàna eto Madagasikara Hitarafana ny tsy fandrosoana


  • Alarobia 02 Mey 2018

Raha misy firenena tena tsy manara-dalàna dia anisany i Madagasikara. Miainga hatrany amin’ny fitondrana mihitsy izany ary tonga eny amin’ny isam-batan’olona izay entina.

Mazava ho azy fa ny mpitondra kosa aloha no tokony ho fitaratra alain-tahaka jeren’ny vahoaka saingy izy ireo aza moa manampatra mihitsy amin’ny tsy fanarahan-dalàna atao. Matetika anefa dia fatra-pametraka lalàna ny Malagasy hatreny amin’ny fiarahamonina rehetra eny. Raha tsy hiteny fotsiny ny soratra mandrara etsy sy eroa tahaka ny hoe “tsy azo anaovana maloto eto”, “tsy azo ijorojoroana sy ivarotana eto”. Amin’izao fotoana izao aza moa efa misy indray eny amin’ireny fiara mpitatitra olona ireny milaza hoe “midina rehefa tsy hikisaka”, “mihaino fotsiny fa tsy mikitika”. Tena tsy hahatsapa tena mihitsy ka tsy hahalala ny tokony hatao ve ny Malagasy dia asiana ireny zavatra efa tsy tokony handraràna ireny. Tsy mahagaga raha taraiky tanteraka amin’ny fampandrosoana i Madagasikara satria ny pitsopitson-javatra tahaka ireny aza tsy maintsy soratana ary mbola maro ny tsy manaraka. Iaraha-mahalala ihany koa moa ny fahapotehan’ny sehatra fanabeazana ka tsy mahataitra intsony ny tsy fahaiza-miaina sy tsy fahalalam-pomba mitaiza ny Malagasy. Izany rehetra izany dia takaitra navelan-drafahantrana ary tokony hiadivan’ny rehetra, indrindra ny tanora izay antoky ny ho avy.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT