Actualités

Tsy fananganan-tsaina Fihetsika fanairana ny fanjakana


  • Zoma 16 Jona 2017

Vitsy ny tokantrano Malagasy manangan-tsaina amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao.

 Tranga fampieritreretana ny fanjakana manoloana ny zava-misy eto Madagasikara io, hoy ny mpandraharaha Rakotomamonjy Philippe. Tsy mahefa sady tsy manana politikam-pitantanana mahomby hiatrehana ny fahantrana mandifotra ny fiarahamonina Malagasy mantsy ny fitondrana mijoro. Miaina ao anatin’ny tsy fahampiana sy ny tsizarizary ny mponina ary manjaka tanteraka ny tsy fandriampahalemana. Tokony hifantohan’ny fanjakana ankehitriny ny fanomezana asa ny vahoaka Malagasy. Vahaolana azo hampihenana ny tsy filaminana toy ny halatra sy ny fandrobana miaro famonoana olona na ny firongatry ny asan-dahalo manerana ny nosy mantsy ny fampisitrahana foto-pivelomana ho an’ireo tokantrano sy fianakaviana marobe sahirana eto Madagasikara. Fepetra tsara jeren’ny fitondrana akaiky mifanaraka amin’io famoronana asa io moa ny fifehezana ny vidin’entana fampiasan’ny olona andavanandro. Mila mandray andraikitra manoloana ny fanararaotan’ireo mpandraharaha sy mpivarotra ihany koa anefa ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa, araka ny fanehoan-keviny.



 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT