Actualités

Tsy fananganan-tsaina ao Soalandy Ankadivoribe Ny Ben’ny tanŕna no ifatraran’ny rihitra


  • Zoma 25 Jona 2010


Miangona any amin’ny Ben’ny tanànan’i Soalandy, Ravoajanahary Herinaivo avokoa ny rihitra mikasika ireo olona tsy mety hanangan-tsaina ao amin’ny kaominina iadidiany. Nanambara izany mazava ny lahatsoratra an-gazety iray izay nivoaka omaly fa ny Ben’ny tanàna mihitsy no manery ny olona tsy hanangan-tsaina. Araka ny resadresaka nifanaovany taminay anefa dia izy no Ben’ny tanàna voalohany nangataka saina tany amin’ny Faritra Analamanga ho an’ireo tokantrano tsy manana izany ao amin’ny faritra iadidiany. Efa nisy ihany koa ny famoriana sefo fokontany notontosainy ny 14 jona lasa teo izay nampitany hafatra ny amin’ny tokony hananganan’ny isan-tokantrano saina, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny 26 jona izao. Toraka izany koa ny niseho afak’omaly izay nihaonany tamin’ireo sefo fokontany roa any an-toerana. Na izany aza anefa, hoy ity Ben’ny tanàna ity tsy azo terena ny olona. Manana ny safidiny ny tsirairay na hanangan-tsaina na tsia na dia efa totoafo aza ny fanentanana ataon’ny Kaominina. Tsiahivina fa fanintelony amin’izao no nisy nanasoketa ity Ben’ny tanàna ity hatramin’ny nisian’ny fitondrana FAT. 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT