Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ny minisitra Chabani Nourdine manoloana ny fanontaniana apetraky ny olona amin’ny fiakaran’ny vidim-bary eny an-tsena. Efa mahatratra 650 Ar mantsy ny iray kapoaka amin’ny vary zanatany toy ny makalioka ankehitriny.
Nambarany fa vokatry ny tsy fahampian’ny ranon’orana tamin’ity taona ity no nahatonga izany. Ho an’ny Faritra Alaotra Mangoro manokana dia nomarihiny fa tsy nisy afa-tsy ny 25 %-n’ny vokatra tokony hiakatra sisa no niakatra, raha toraka izany koa ny any Tsiroanomandidy, antony mahatonga ireo mponina any amin’ireny faritra ireny hanafatra ireo vary nohafaran’ny fitondram-panjakana avy any ivelany haparitaka any amin’ny faritra misy azy. Na izany aza tsy mbola misy ny filaharam-bary hatreto. Efa mahatratra 7.000 taonina isan-kerinandro ny vary hafaran’izy ireo avy any ivelany izay nomarihiny manokana fa tsy ampy. Miantso ny rehetra hamokatra araka ny tenany. Mbola malalaka ny tany eto amintsika satria mahatratra 18.000 ha. Mila miezaka ihany koa ny any ambanivohitra hiady amin’ny doro tanety. Nampahatsiahiviny fa tsy mitsaha-mitombo ny mponina eto amintsika, ny tany anefa tsy mitombo ka mila manao ezaka ny tsirairay.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.