Actualités

Tsy fahampian'ny rotsak’orana Ritra ny reniranon’Ikopa


  • Talata 10 Janoary 2017

Tafakatra hatrany amin’ny 31°C ny maripana ambony indrindra eto Antananarivo. Tsy ampy ny rotsak’orana, izay misy fiantraikany betsaka amin’ny fiainan’ny mponina mihitsy. Ritra hatramin’ny reniranon’Ikopa

. Tsy fantatra intsony na vokatr’izao hainandro migaingaina ka maharitra ny rano izao no nahafaty ireo trondro teny amin’iny renirano iny, ka natsingevan’ny rano na mitombina ny filazana fa mety nisy nandefa poizina mahery vaika tao anatin’ny renirano. Efa maro no nandroaka sy nihinana ireo trondro maty natsingevan’ny rano, ka efa nisy ny fampitandremana nataon’ny minisiteran’ny jono sy ny harena anaty rano, fa tsy azo atao ny mihinana ireo trondro maty ireo. Ankoatr’izay dia hiteraka voka-dratsy amin’ny lafin-javatra maro izao toe-javatra izao, ary efa hita taratra amin’ny zava-misy ankehitriny izany. Malefaka ny tosiky ny rano manodina ireo milina famokarana herinaratra, izay ambaran’ny tompon’andraikitra ho mampahery vaika ny delestazy. Tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fambolena, izay tsy hisalasalana fa hiteraka voka-dratsy amin’ny famokarana eto Madagasikara mihitsy satria saika manerana ny Nosy no tara sy tsy misy rotsak’orana. Ahiana hahery vaika kokoa, araka izany, ny olana ara-tsakafo eto amintsika amin’ity taona 2017 ity. Manginy fotsiny ny resaka fahasalamana izay efa maro no mijinja ny voka-dratsin’izao toetr’andro izao. Raha ny fanadihadiana natao dia manodidina ny 71 tapitrisa ariary ny vola hahafahana mandrotsaka orana artifisialy izay hany vahaolana azo hatao amin’izao fotoana izao. Mila mandray andraikitra ny fanjakana satria mijaly ny vahoaka, indrindra fa ny tantsaha.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT