Actualités

Tsy fahaiza-mitantana ny «Air Mad» Vidian’ny vahoaka Malagasy lafo


  • Zoma 15 Mey 2015

Nitondra valin-kafatra ho an’ny minisitry ny Fizahantany, Fitaterana ary Famantarana ny toetr’andro Andriantiana Ulrich ireo sendikan’ny mpiasa miisa 12 eo anivon’ny orinasa Air Madagascar.

 

 Tena mahay ny mpiasan’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Malagasy fa tsy araka ny voalazan’ity tompon’andraikitra mpikambana ao amin’ny governemanta ity, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo Rabarilala Rado. Tsy manana ny maha izy azy ihany koa ny orinasa satria mbola manjaka hatreto ny fiankinan-doha amin’ny fanjakana izay miseho amin’ny endrika samihafa, araka ny fanampim-panazavana. Mitotongana ity orinasam-pitaterana ana habakabaka ity noho ny tsy fahaiza-mitantana miaraka amin’ny fanapahan-kevitra tsy am-piheveran’ny tompon’andraiki-panjakana, hoy ny fanamarihana avy amin’ny fivondronamben’ny sendikan’ny mpiasan’ny Air Mad ny alarobia teo teny Ivato. Antony roa lehibe mety tsy eritreretin’ny mpitondra manam-pahefana ireo nefa tena vidin’ny vahoaka Malagasy lafo ankehitriny. Notohanan’ireo mpiasa tamin’ny ohatra maro moa ny fanehoan-kevitra nataon’izy ireo tahaka ny fatiantoka amin’ny fampiasana ireo fiaramanidina ampiasain’ny orinasa na koa ny fanomezana ny frantsay ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina ao Antsiranana sy Sainte Marie. Amin’ny volana martsa 2016 ihany koa vao hivoaka indray ny fanapahan-kevitra momba ny fahafahan’ny fiaramanidina Malagasy na tsia misidina ny lanitr’i Eoropa, nilaza anefa tamin’ny herintaona ny mpitondra fanjakana fa hoe amin’ny febroary na martsa 2015 dia efa hiala ao anatin’ilay « Annexe B » ny Air Madagascar ka afaka ny hisidina any eoropa amin’izay. Efa tena maro ireo mpandeha amin’ny fiaramanidin’ny Air Madagascar amin’ny zotra anatiny sy ivelany no mitaraina amin’ny faharatsian’ny fikarakarana, ao ohatra ny entana mifamadika na tsy tonga any amin’izay tokony alehany ; ny sidina miova tampoka kanefa tsy tonga ara-potoana ny fampandrenesana ny mpandeha rehetra. Ny mpanjifa, ny vahoaka hatrany no mitondra faisana amin’ny tsy fahamatoran’ny fitantanana ity kaompaniam-pitaterana ity, ho hita eo indray moa izay hiafaran’ny tantara satria tena mihenjan-droa izany izao ny tady eo amin’ny mpitantana sy ny mpiasa satria tsy manaiky ny hiray tsikombakomba amin’irety voalohany amin’ny fanapotehana ny Airmad ireto farany.

Ramano F.  


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT