Actualités

Tsy Aritra Mihosin-dra !


  • Alatsinainy 12 Novambra 2012

Raha fintinina ny zava-misy momba ny fanenjehana dahalo any Betroka sy ny manodidina dia tahaka izao no azo ambara : efa hatramin’ny fiandohan’ny volana oktobra no fantatra ny toerana hiafenan-dRemenabila, saingy tsy mety voasambotra izy hatramin’izao.

 Mba mahagaga ihany koa moa ilay filazana fa maratra Remenabila, ary baben’ny namany niditra any an’ala. Olona maratra sy babena izany tompoko dia hita maso, fa tsy hoe azo sary an-tsaina. Koa maninona ary no tsy voasambotra ? Misy helikoptera koa azo nampiasaina, ka maninona no tsy nanaovana rodobe sy angaredona rehefa izany Remenabila izany no fahavalo voalohany ? Raha ny tena marina dia vitsy dia vitsy koa ireo dahalo azo sambo-belona fa maty avokoa ny ankamaroany. Niaro ireo mpitandro filaminana moa ny filohan’ny faritra Anosy ka nilaza fa misy, hono, ny zazalahy 8 taona na zazavavy 14, efa dahalo ary vonona ny hamono olona. Izany hoe tsy maninona izany, raha toa notifirin’ny miaramila ho faty ireo zaza amam-behivavy ireo, fa tonga dia azo antoka fa dahalo mpangalatr’omby sy mpamono olona, na dia tsy nisy fanadihadiana sy fitsarana aza. Ny olana vokatr’ity fampiasan-kery sy famonoan’olona, mety efa diso tafahoatra ataon’ny andian-tafika manokana any atsimo ity anefa, dia lasa tsy matoky izany miaramila sy zandary izany intsony ny mponina any.

Noho izy ireo mivatravatra loatra mandoro tanàna sy mamono avy hatrany tsy misy fanazavana firy. Henjana dia henjana ny fanakianan’ireo fikambanana miaro ny zon’olombelona eto an-toerana sy any ivelany ny fihetsiky ny mpitandro filaminana Malagasy any atsimo, ary tsy maharesy lahatra mihitsy aloha hatreto ny fiarovan-tenan’ireo be galona satria mibaribary loatra ilay vono moka any atsimo. Farany teo moa nandritra ny filankevitry ny minisitra, dia tapa-kevitra ihany ny hanangana vaomiera manokana hanadihady ny fitondran-tena sy fanajana ny fitsipika ary ny fomba fiasa ao anivon’ny foloalindahy ny mpitondra fanjakana.

Ho an’ny maro dia ny fomba fiasan’ny foloalindahy any atsimo no tokony hanaovana fanadihadiana voalohany, dia ho hita eo ny tena marina e ! Tsy tokony misy atahoran’ireo miaramila sy zandary raha toa ka tena nanao ny asany ara-dalàna sy araka ny tokony ho izy ary nanaja ny fitsipika maha miaramila azy, izy ireo. Tsy azo adinoina ihany koa ny fanajana ny zon’olombelona sy ny fanajana ny maha olona. Tranga anisan’ny nanaratsy endrika ny fitondrana tetezamita ny raharaha Remenabila sy ny fomba nitantanana ny fanenjehana ireo dahalo, marina fa fampandrian-tany sy famerenana ny filaminana no atao tany atsimo, fa tsy ilaozan’ny nisy fihoaram-pefy izany, izay midika fa efa mihosin-dra koa ny tanan’ireo tompon’andraikitra nandefa tafika tany sy nanome ny baiko na koa tsy nahay nisoroka ny zava-doza mety hitranga.

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT