Nampanontany tena ireo mpitia fanatanjahantena maro ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filoha am-perinasan’ny taranja fototra atletisma, Razafimahefa Christian James.
Nambarany ampahibemaso nanoloana ny mpanao gazety tetsy amin’ny Muraille de Chine ny sabotsy lasa teo fa hiala mialoha ny fotoana fahataperan’ny fe-potoam-piasany tsy hitantana ity federasiona ity intsony ny tenany ary nanolotra ny fahefana feno tamin’ny filoha lefiny mba hisolo toerana azy avy hatrany. 26 taona nitantanana ity taranja ity ny tenany, araka ny notsiahiviny nivantana. Nahavita be tokoa raha izay taona izay no jerena.
Nisongadina ihany koa raha ny vokatra satria efa nahatondra atleta Malagasy tamin’ny toerana avo dia avo toy ny tompondakan’i Afrika sy ny laharana tsara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena hafa ary nahatafita atleta Malagasy maro niofana ho matihanina any ivelany. Tsy nitsanga-menatra koa teo amin’ny fandrombahan’ny Malagasy medaly tamina fifaninanana aty anivon’ny Ranomasimbe Indiana raha tsy hiresaka afa sy ireo Lalaon’ny Nosy efa natrehana hatrizay isika. Tamin’ny androny no nahazoantsika ny “piste” manara-penitra etsy amin’ny kianjan’Alarobia ka nahazoan’ireo atleta Malagasy tsy hiambakavaka intsony rehefa mivahiny any ivelany any. Voarakitra ary tsy voakosoka amin’ny tantaran’ny atletisma Malagasy izany Razafimahefa Chistian James izany.
Etsy an-kilany, efa elaela ihany izay, ary nihamafimafy aza tao anatin’ny taona vitsivitsy, dia navaivay koa ny fanakianana nahazo an’ity filohana federasiona ity, avy amin’ny atleta samihafa noho ny antony samihafa koa, ary avy amin’ny mpitantana eny anivon’ny ligy sasantsasany koa, raha tsy hiresaka afa tsy ny avy any Boeny fotsiny isika izay saika nikomy tsy hikarakara fifaninanana iraisam-pirenena natao tany amin-dry zareo mihitsy aza. Tamin’izao farany izao dia toa nampiseho nivantana ny fanoherana ny fihetsika nataona mpitantana fanatanjahantena eo anivon’ny ministera toa mitady hanilika an-kolaka an’ity filohana federasiona ity. Izay antony izay rahateo moa no voalaza fa anisan’ny nanosika azy hametra-pialana.
Mandeha ny resaka etsy sy eroa taorian’izany. Miala ampamoaka ve ity ranamana ity sa matahotra ny ho tratry ny fitsipaham-pitokisana avy amin’ireo ligim-paritra nametraka azy ka tsy sahy miatrika fivoriambe intsony ? Sa efa tena nahavita be tokoa ka mba hiala sasatra amin’izay mba hidiran’ny hafa ? Fanontaniana marobe tahaka izany no miseho etsy sy eroa.
Itony fihetsika itony angamba no antsoina hoe “Ni…Ni” eo amin’ny fanatanjahantena ka asa na mety hisy hanara-dia ny ataony ireo federasiona hipetrahana olana ara-pifandraisana mitovy ? Ny betsaka aloha dia ireo mbola mitady hevitra mafy ny tsy hiatrehana fifidianana fa hanalava ny fotoam-piasana satria hoe : tara noho ny krizy ny fifidianana teto amintsika tsy nanaraka ny tetiandron’ny Olimpisma. Ny marina dia mbola mazoto amin’ny fitantanana “bénévole” ireo filohana federasiona eto amintsika na dia azo ambara fa tsy mamokatra aza ny ankamaroany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.